RNS 12: FITSIRIHANA NY ASA FANARENANA NY TETEZANA VY AO AGNALABE

05/05/2025
Photo

Noho ny fahasimban’ny tetezana vy ao Agnalabe, ao amin’ny Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany, dia noraisin’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy avy hatrany ny andraikitra amin'ny fanarenana azy.

Fotodrafitr'asa tena ilaina amin’ny fifamoivoizana sy ny toekarena ao an-toerana ity tetezana ity, izay efa tena simba sy harafesina, ka mitaky fepetra haingana sy hentitra hiantohana ny fivezivezen’ny olona sy ny entana.

Tonga nijery sy nanara-maso mivantana ny fizotran’ny asa tany an-toerana androany ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore.

Tafiditra ao anatin’ny paikady napetraky ny Minisitera ny fidinana ifotony toy izao.

#MTP #MTPmiasahoanao #RN12 #DRTPFitovinany #PontAgnalabe