RNS5 / SOANIERANA IVONGO – MANANARA AVARATRA: MAMARANA NY DINGANA VOALOHANY NY ASA FANAMBOARANA

Efa ho vita ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5), amin’ny ampahany voalohany, avy eo Soanierana Ivongo (PK 0+000) ka hatrany Vahibe (PK 75+835).
Ity tetik'asa ity, izay tafiditra ao anatin’ny “Lalan'ny Masoandro”, dia mikendry ny hanokatra sy hampifandray ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara, manomboka any Avaratra ka hatrany Atsimo.
Eo amin’ny:
- PK14, manohy ny fanamboarana ny “couche de fondation” sy ny “couche de base” ny teknisianina, izay manome antoka amin’ny hamafisanan’ny lalana.
- PK15+800, efa hita mivaingana ny hatsaran’ny “couche de fondation”.
- PK16, manomboka ny fametrahana ny “mono couche”.
- mandeha koa ny fametrahana arofanina na “gardes-corps” amin’ireo tetezana, izay manampy amin’ny fiarovana ny mpampiasa lalana
- ny fambolena bozaka na “engazonnement” amin’ny sisin-dalana, izay manampy amin’ny fanamafisana ny tany sy fisorohana ny fihotsanan’ny tany
- ny fanamboarana ny sisin-dalana fikorinan’ny rano na “fossés maçonnés”.
Hatreto, efa vita 80% ny asa fanamboarana sy fanatsarana ity ampahan-dalana mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe ity.
Asa izay hanampy amin’ny ny fampandrosoana ara-toekarena ho an’ny faritra Analanjirofo sy ny manodidina.