RNT8 Allée des Baobabs Morondava

06/09/2025
Allée des Baobabs Morondava

🛤️Nitsidika ny làlana RNT8 mankany amin'ny allée des baobabs PK0+000 (Marofototra) sy ny PK4+700, ny déviation ary ny traversé allée des baobabs ny Ministry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore, omaly.

Fitsidihana izay nijerena ny zava-misy hahafahana mitondra fanatsarana sy fanamboarana amin'io lalana io.

📸Tsiahivina fa ny Allée des Baobabs dia toerana voajanahary, sary miavaka, manan-danja ara-kolontsaina sy tantara, sady mariky ny fizahantany malagasy.

🇲🇬Marihina moa fa miara-dia any amin' ny faritra Menabe, miaraka amin' ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA, sy ny Praiministra Lehiben'ny Governemanta NTSAY Christian, ny Ministry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore sy ireo Mpikambana amin'ny Governemanta maromaro, tao anatin' ny lanonana fanolorana tamin'ny taranany ny kabeson'i Ampanjaka Toera sy ireo fitokanana zava-bita maro, omaly sy androany, tany Belo sur Tsiribihina sy ao Morondava.