RNT9 Asa fanamboaran-dalana TOLIARA-ANALAMISAMPY
06/09/2025

Miroso ny asa.
40km eo amin'izao no efa ahitana asa mivaingana:
miainga eo Toliara PK0+000 ary efa tonga eo amin'ny Croisement Manombo PK40+000.
Anisan'ireo asa maika hotanterahana ny fanarenana ny fahasimbana eo amin'ny fidirana amin'ny Tetezana Ranozaza PK71.
Tafiditra ao anatin'ilay tetik'asa "Marché Routier à Obligation des Résultats (MROR)- Asa fanarenana sy fikojakojana ny RNT9 Toliara-Analamisampy, 107km ity asa ity.
Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa omaly, ireo tompon'andraikitra sy Teknisianina rehetra voakasik'izany.