ROAD SAFETY / ARO LOZAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Anisan'ireo tompon'antoka amin’ny resaka aro lozan’ny fifamoivoizana na « sécurité routière » ny Ministeran’ny Asa Vaventy.
Nandray anjara feno tamin’ny atrik'asa « 𝐑𝐎𝐀𝐃 𝐒𝐀𝐅𝐄𝐓𝐘 𝐌𝐀𝐃𝐀𝐆𝐀𝐒𝐂𝐀𝐑 » hitadiavana vahaolana hampienana ny lozam-pifamoivoizana eto Madagasikara, araka izany, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫𝐞 sy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera, Atoa 𝐒𝐀𝐌𝐁𝐈𝐒𝐎𝐋𝐎 𝐄𝐦𝐢𝐥𝐞 𝐉𝐨𝐬𝐞𝐩𝐡.
Atrik'asa izay teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny Andro, Atoa 𝐕𝐚𝐥𝐞́𝐫𝐲 𝐑𝐀𝐌𝐎𝐍𝐉𝐀𝐕𝐄𝐋𝐎, ary nanasana ny iraka manokan’ny Firenena Mikambana misahana ny aro lozan’ny fifamoivoizana, Atoa 𝐉𝐞𝐚𝐧 𝐓𝐎𝐃𝐓.
Raha ny tarehimarika (2018) avy amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana na OMS,
• Olona iray isaky ny 16 segondra no maty amin’ny lalana maneran-tany ;
• 1,19 tapitrisa isan-taona ny olona maty maneran-tany ;
• 28%-ny taha-pahafatesana eto Madagasikara no vokatry ny lozam-pifamoivoizana,
Tanjona:
ny hampihena 50% ny taha-pahafatesana, izany hoe 14 isaky ny mponina 100 000 amin’ny 2030, raha toa ka 28 izy izao ;
ny hampihena 25% ny very amin’ny harikarena faobe na PIB noho ny lozam-pifamoivoizana. Izany hoe ezahana ahena 5,7% raha toa ka 7,6% izy amin’izao.
Ny kalitaon’ny lalana, ny kalitaon’ny fitaovam-pitaterana (fiara, kodiaran-droa), ny fanabeazana, ny fenitra tokony arahin’ny mpamily, ny fandraisana an-tanana ireo trà-doza raha sanatria misy izany…
Ireo amin’ny ankapobeny no teboka voaresaka tamin’ity atrik'asa ity.
Aorian’izao fandravonana ny fehin-kevitra izao no horafetina ny “plan d’actions” hahatratrarana ireo tanjona ireo
Omaly 11 Avrily 2025, tao amin'ny Hotel Carlton, no nandraisana ireo hevitry ny mpiantsehatra rehetra, nahitana:
• Ny solotena maharitry ny Firenena Mikambana
• Ny solotena maharitry ny OMS
• Ny Banky iraisam-pirenena,
• Ny solotenan’ny Antenimieran-doholona sy ny Antenimieram-pirenena,
• Ny ministeran’ny Fahasalamana,
• Ny ministeran’ny Asa Vaventy,
• Ny ministeran’ny Fampianarana,
• Ny DGSR (Direction Générale de la Sécurité Routière),
• Ireo hery velona rehetra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana miantsehatra amin’ny resaka « sécurité routière ».