SAINTE-MARIE: LALANA VAOVAO HO AN’NY FANDROSOANA SY FIZAHANTANY MAHARITRATRA

Vita tanteraka amin’izao fotoana izao ny asa fanavaozana ny lalana ao amin’ny tanànan’i Sainte-Marie, Faritra Analanjirofo, tafiditra ao anatin’ny tetikasa PIC2 sy PIC3, niarahana tamin’ny OFID sy ny Banky Iraisam-pirenena. Mahatratra 87,2 km ny lalana nasiam-panamboarana, ahitana ny lalam-pirenena RNS21 (pk 0 hatramin’ny pk 51), ny fiodinana avaratra sy atsimon’ny Nosy, ary ireo sampanan-dalana an-tanàna miisa 16. Anisan’ny asa tanteraka ny fananganana sy fanavaozana ny rafitra fanariana rano, ny fanamboarana tetezana, ny fanamafisana ny sisin-dalana, ary ny fanavaozana ny lalana amin’ny alalan’ny tara sy simenitra. Amin’izao, azo aleha amin’ny fiara rehetra ny lalana amin’ny vanim-potoana rehetra, ary nihena be ny faharetan’ny dia : 1 ora ho an’ny fiodinana avaratra (raha 4 ora taloha), sy 30 minitra ho an’ny atsimo (raha 2 ora taloha).
Ankoatra ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, napetraka ihany koa ireo fepetra hiantohana ny fiarovana ho an’ny rehetra : fametrahana soratra fampitandremana, zaridàlana fampitandremana ("bandes sonores") manodidina ny sekoly sy tanàna, ary fanamboarana ireo faritra nampidi-doza. Tanjona lehibe amin’ity tetikasa ity ny hanomezana fahafahana mivezivezy amin’ny vanim-potoana rehetra, hanamafisana ny fizahantany, ary hanatsarana ny fiainan’ny mponina amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa maharitra sy mivelatra. Miandry ny fandraisana vonjimaika amin’ny fomba ofisialy amin’izao fotoana izao ny asa, ary maneho fisaorana feno ho an’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny Minisitera ny Asa Vaventy, noho ny fahavitan’ity asa lehibe ity ho an’ny tombontsoam-bahoaka.
#MTP #MTPmiasahoanao #DRTPAnalanjirofo #SainteMarie #PIC #OFID #BanqueMondiale