TEKNOLOJIA GEOCELLULE: EFA AMPIASAINA AMIN’NY FANAMBOARAN-DALANA ETO AMINTSIKA

Ny Faritra Fitovinany sy ny Faritra Atsimo Atsinanana no mahazo tombony, mialohan'ny rehetra, hampiharana ny fampiasana ny teknolojia vaovao GEOCELLULE, amin'ny fanamboaran-dalana, amin'izao fotoana izao, eto amintsika.
Efa mandeha ny asa.
Tao amin'ny Kaominina Marofarihy sy Ambila, Distrikan'i Manakara ny Minisitrin'ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore sy ny ekipany androany, nijery ny fomba fampiharana ity teknolojia vaovao ity. Niara-dia tamin'izy koa ny ekipan'ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, notarihin’ny Minisitra HAJARISON François Sergio .
Nitohy tao amin'ny Kaominina Nosivelo, Distrikan'i Farafangana izany.
Famatsiam-bola avy amin'ny Fanjakana Malagasy sy ny FIDA no nahafahana manao ity asa ity.
Ny UNOPS kosa no manatanteraka amin'ny alalan'ny tetikasa DEFI.
Tombony lehibe amin'ny fampiasana ity teknolojia vaovao GEOCELLULE ity ny hananana Lalana maharitra sy mahatanty orana.
#MTP #MTPmiasahoanao #InfrastructuresDurables #TechnologieGEOCELLULE #UNOPS #DEFI