TETEZANA ANTAMPONJINA : ISAN’NY FOTODRAFITRASA MANAN-DANJA AO AMIN’NY TANANAN’NY TANANAN’I FIANARANTSOA

08/07/2025
TETEZANA ANTAMPONJINA

Anisan’ny asa lehibe notanterahin’ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Asa Vaventy amin’ny fikojakojana ny lalana ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony ny fanarenana sy fanatsarana ny tetezana Antamponjina ao an-tanànan’i Fianarantsoa. Tetezana mirefy 20 metatra, izay nasondrotra 1,50 m ary novaina ho 9 metatra ny fanokafana, mba hahazaka tsara ny fandehanan’ny rano sy ny fivezivezen’ny fiara.

Manamora ny fifandraisana eo amin’ny seranam-piaramanidin'i Fianarantsoa sy ny Cité des Profs, tena ilaina amin’ny fitaterana sy ny fiainan’ny mponina andavanandro ity fotodrafitrasa ity.

Ny Fonds Routier no namatsy vola, ho fanatanterahana asa maharitra sy mahomby.