TETEZANA MANDRANOFOTSY : FANOKAFANA ARA-TOEKARENA HO AN’I VOHIBATO SY NY MANODIDINA

06/07/2025
TETEZANA MANDRANOFOTSY

Tsy fanamboarana fotodrafitrasa fotsiny ny fanarenana natao tamin’ny tetezan’i Mandranofotsy ao amin’ny Kaominina Talata Ampano, Faritra Matsiatra Ambony, fa fanokafana lakandranon’aina ho an’ireo tantsaha sy mpamboly manodidina ihany koa.

Nitombo ny fitaterana entana sy vokatra avy any ambanivohitra mankany amin’ny tsenan’i Fianarantsoa, toy ny ovy, karaoty ary voatabia, noho ny fanoloana ilay tetezana hazo fahiny ho lasa tetezana vita amin’ny « béton armé ».

Vokatry ny fahasimbana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Batsiray, dia natomboka haingana ny asa fanarenana tamin’ny alalan’ny fampiasam-bola avy amin’ny Fonds Routier, notanterahin’ny orinasa Entreprise Générale de Construction EHS.

Asa iray manamarika fa tsy misy Faritra adino amin’ny resaka fotodrafitrasan’ny lalana sy fitaterana, mba ho fampandrosoana maharitra ifotony.

Fampanantenan' ny Filoha Andry RAJOELINA ny hanarenana ity Tetezana MANDRANOFOTSY ity ary izao tanteraka izao.