TETIKASA PACFC I – FARITRA ATSIMO ATSINANANA: ZAVA-BITA HITA MIVAINGANA ENY AN-TOERANA

25/04/2025
Photo

Miseho tsikelikely ny vokatra azo tsapain-tanana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa PACFC I na « Projet d’Aménagement des Corridors et de Facilitation du Commerce » any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, na dia mbola tsy vita tanteraka aza ny asa. Tanjona amin’ity tetikasa goavana ity ny hanamora sy hanatsara ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ity faritra ity sy ny faritra manodidina. Ny Agence Routière, rantsamangaikan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, no miandraikitra ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny tetikasa, izay vatsian’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) sy ny Fanjakana Malagasy vola.

Anisan’ny ivon’ny tetikasa ny fanarenana ny lalam-pirenena RNT12A mampifandray an’i Taolagnaro sy Vangaindrano, sy ireo fotodrafitrasa manampy (aménagements connexes) natao hanamafisana ny vokatry ny asa eo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena : fananganana sekoly, tobim-pahasalamana, fotodrafitrasa momba ny rano fisotro madio, sns.

Zava-bita manan-danja :

• Kaominina Ambanivohitra Bekaraoky (Fokontany Analatsaka)

- Nohavaozina sy natsangana ny EPP manarapenitra, niaraka tamin’ny fametrahana herinaratra avy amin’ny masoandro (kit panneau solaire).

- Namboarina ihany koa ny toeram-pivoahana (latrine) ho an’ny mpianatra, ho fiarovana ny fahadiovana sy ny fahasalamana.

•Kaominina Ambanivohitra Masianaka (Fokontany Magnety)

- Vita ny CSB II manarapenitra, miaraka amin’ny fitaovana sy jiro mandeha amin’ny herinaratra azo amin’ny masoandro.

- Namboarina ny birao ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana sy trano fonenan’ny mpiandraikitra ny tetikasa.

- Natsangana ny bloc sanitaire sy réservoir d’eau (trano fitahirizana rano avo) ho fanamorana ny famatsian-drano madio.

- Eo am-pamaranana kosa ny fanaovana forage miaraka amin’ny paompy, izay hanome rano fisotro ho an’ny mponina.

• Kaominina Ambanivohitra Vangaindrano (Fokontany Vangaindranobe)

- Efa vita ny hangar ho toerana fanangonana sy fitehirizana ny vokatra avy amin’ny tantsaha.

- Natsangana ny toeram-panariam-pako ao amin’ny tsena, ho fanajana ny fahadiovana.

Natao hanatsarana mivantana ny fari-piainan’ny mponina sy hanohanana ny fotodrafitrasa lehibe amin’ny RN12A ireo fotodrafitrasa manampy ireo.

#MTP #MTPMiasaHoAnao #RNT12A #AménagementConnexes #PACFC #BAD