Tetikasa PACFC: Manokatra ny faritra Atsimo ho fampandrosoana ny toekarena

11/12/2025
Tetikasa PACFC

Tao anatin'ny telo taona niasana, nanomboka ny volana Jona 2022, rehefa nahazo fankatoavana ny Desambra 2019, betsaka ny vita tao anatin'ny tetikasa PACFC na "Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce".

 

Tetikasa mahakasika sehatra maro ny PACFC, izay mikendry ny:

 

*      Hanokatra tanteraka ny faritra Atsimo

 

*      hanamora ny varotra

 

*      ary hanatsara ny fari-piainan’ny Malagasy

 

Amin'ny sehatry ny Lalana, ny fanamboarana ny RN9 sy ny RN12A no tafiditra ao anatin'ny tetikasa.

Tao anatin'ny PACFC I, izay hifarana amin'ity taona 2025 ity, dia:

 

🛤️Lalana 45 km amin'ny RN12A, avy eo Taolagnaro hatrany Ebakika, izay lalan-tany taloha, no efa vita voarakotra tara avokoa, ary tsy ampiasana baka fitaterana intsony.

Raha natao adiny 3 na 4 izany teo aloha, efa vitan'ny fiara adiny 1 amin'izao.

 

🛣️Ho an'ny RN9 indray, 160km no efa vita tsara, avy eo Analamisampy hatrany Manja.

Raha natao 2 andro teo aloha ny dia miainga eo Toliara mihazo an'i Manja, nihena adiny 6 fotsiny izany ankehitriny.

 

*      Nitondra fiovana tsara betsaka amin' ny fiainan'ny mponina ny fahavitan'ny lalana, na dia mbola ny ampahany voalohany aza no vita.

 

Nitentina 140 tapitrisa $ ny famatsiam-bola nenti-niasa tao anatin'ny PACFC I.

 

Ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana na ny BAD, ny Vondrona Eoropeana sy ny Fanjakana Malagasy no niara- nifarimbona tamin'izany.

 

↗️Tsy hifarana hatreo anefa fa mbola hitohy ny asa, ao anatin'ny PACFC II, ary efa nanomboka sahady tamin'ity taona 2025 ity izany.

Nitombo ny famatsiam-bola. Mitentina 325 tapitrisa $ izany. Tafiditra ao anatin' io koa ny avy amin'ny OFID sy ny AIIB.

 

📎Ho vitaina tanteraka, araka izany, ny RN9, hampifandray an'i Toliara hatrany Morondava, sy ny RN12A, avy eo Taolagnaro hatrany Vangaindrano.

Nampahafantarina, androany tetsy amin'ny La Café du Gare Soarano, nandritry ny valan-dresaka ho an' ny mpanao gazety, ireo rehetra ireo.

 

 

-------------------------

𝗣𝗿𝗼𝗷𝗲𝘁 𝗣𝗔𝗖𝗙𝗖 :

𝗗𝗲́𝘀𝗲𝗻𝗰𝗹𝗮𝘃𝗲𝗿 𝗹𝗲 𝗦𝘂𝗱 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝘁𝗿𝗮𝗻𝘀𝗳𝗼𝗿𝗺𝗲𝗿 𝗹𝗲́𝗰𝗼𝗻𝗼𝗺𝗶𝗲

Trois ans après son lancement opérationnel en juin 2022, suite à son approbation en décembre 2019, le Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce (PACFC) enregistre des avancées majeures et des impacts concrets sur les régions du Sud de Madagascar.

Projet multisectoriel, le PACFC a pour objectifs de :

 

*      Stimuler l’ouverture totale du Grand Sud

 

*      Faciliter les échanges commerciaux

 

*      Améliorer durablement les conditions de vie des populations

 

𝑫𝒆𝒔 𝒓𝒆́𝒂𝒍𝒊𝒔𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏𝒔 𝒔𝒊𝒈𝒏𝒊𝒇𝒊𝒄𝒂𝒕𝒊𝒗𝒆𝒔 𝒅𝒂𝒏𝒔 𝒍𝒆 𝒔𝒆𝒄𝒕𝒆𝒖𝒓 𝒓𝒐𝒖𝒕𝒊𝒆𝒓

Dans le cadre du PACFC I, qui s’achèvera en 2025 :

 

🛤️RN12A : 45 km entre Taolagnaro et Ebakika sont désormais entièrement bitumés.

Anciennement piste difficilement praticable, le trajet qui nécessitait 3 à 4 heures se fait aujourd’hui en une heure seulement, sans recours aux véhicules spéciaux.

 

🛣️RN9 : 160 km de route sont achevés entre Analamisampy et Manja.

Un parcours qui demandait auparavant deux jours depuis Toliara ne nécessite plus que six heures.

 

*      Ces infrastructures ont déjà transformé positivement la vie des habitants, alors même qu’il ne s’agit que de la première phase du projet.

 

𝑼𝒏 𝒇𝒊𝒏𝒂𝒏𝒄𝒆𝒎𝒆𝒏𝒕 𝒔𝒐𝒍𝒊𝒅𝒆 𝒆𝒕 𝒅𝒆𝒔 𝒑𝒂𝒓𝒕𝒆𝒏𝒂𝒊𝒓𝒆𝒔 𝒆𝒏𝒈𝒂𝒈𝒆́𝒔

Le PACFC I a mobilisé 140 millions USD, financés conjointement par :

*      la Banque Africaine de Développement (BAD),

 

*      l’Union Européenne,

 

*      l’État Malagasy.

 

𝑷𝑨𝑪𝑭𝑪 𝑰𝑰 : 𝒖𝒏𝒆 𝒏𝒐𝒖𝒗𝒆𝒍𝒍𝒆 𝒑𝒉𝒂𝒔𝒆, 𝒅𝒆𝒔 𝒂𝒎𝒃𝒊𝒕𝒊𝒐𝒏𝒔 𝒓𝒆𝒏𝒇𝒐𝒓𝒄𝒆́𝒆𝒔

 

*      Les travaux se poursuivent avec le PACFC II, lancé en 2025, bénéficiant d’un financement porté à 325 millions USD, incluant de nouveaux partenaires tels que :

 

*      l’OFID (Fonds de l’OPEP pour le Développement international),

 

*      l’AIIB (Banque Asiatique d’Investissement dans les Infrastructures).

 

*      Cette phase permettra l’achèvement complet de la RN9, reliant Toliara à Morondava, et la finalisation de la RN12A, entre Taolagnaro et Vangaindrano.

 

Ces informations ont été présentées ce jour lors d’un point de presse tenu à La Café du Gare Soarano.