VOIE RAPIDE IVATO-AMBOHITRIMANJAKA: MAMARAMPARANA NY ASA, KALITAO NO LAHARAMPAMEHANA

14/04/2025
Photo

Nitsidika ny asa fanamboarana ny lalana "voie rapide" mampitohy an’Ivato sy Ambohitrimanjaka, ny 𝐀𝐥𝐚𝐭𝐬𝐢𝐧𝐚𝐢𝐧𝐲 𝟏𝟒 𝐚𝐩𝐫𝐢𝐥𝐲 𝟐𝟎𝟐𝟓, ny Minisitry ny Asa Vaventy 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐑𝐢𝐜𝐡𝐚𝐫𝐝 𝐓𝐡𝐞́𝐨𝐝𝐨𝐫𝐞, nijery ifotony ny fandrosoan’ny asa.

Amin’izao fotoana, mahatratra hatramin’ny 𝟗𝟎% ny asa, izay sahanin’ny orinasa 𝐂𝐑𝐁𝐂. Tafiditra ao anatin’ireo tetikasa goavana entina manatsara ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra, indrindra ho an’ny mponina any Ivato sy Talatamaty, ary ho an’ireo mpandeha mankany amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ity Voie Rapide Ivato- Ambohitrimanjaka ity.

Manamarika ny lanjan’ny kalitao sy ny faharetan’ny asa fanamboarana foto-drafitr'asa ity fitsidihana nataon’ny Minisitra ity.

Notsindriany fa tokony ho natao haharitra an-taonany maro sy ho lovain-jafy ny asa toy izao, mba hahafahan’ny taranaka mifandimby mampiasa azy.

Ankehitriny dia mifantoka amin’ny fanamboarana ireo foto-drafitr'asa hivarinan'ny rano ny asa. Raha vantany vao vita, dia ho ampifandraisina amin’ny fanitarana ho efatra laharana (4 voies) ny 𝐑𝐨𝐜𝐚𝐝𝐞 𝐓𝐬𝐚𝐫𝐚𝐬𝐚𝐨𝐭𝐫𝐚 - 𝐈𝐯𝐚𝐭𝐨 ity lalana ity, ka hanamora kokoa ny fifamoivoizana manerana ny renivohitra.

#MTP #MTPmiasahoanao #VoieRapideIvatoAmbohitrimanjaka #CRBC