06-01-2025

06/01/2025
Notanterahina androany teto Anosy ny fampiakaran-tsaina voalohany ho amin'ity taona 2025 ity. Nitarika izany ny Minisitry ny Asa Vaventy,Atoa RAFIDISON Richard Théodore, notronin'ireo Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Atoa RAMONJAVELO Valéry, sy ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany, Atoa ANDRIANTSITOHAINA Naina,ary ireo tomponandraikitra maro isan-tsokajiny. Nanamarika ny lanonana androany ihany koa ny fahatongavan'ireo mpiasa marobe avy amin'ireo minisitera telo tonta.
Teny fiarahabana sy firariantsoa nohon'ny fahatratrarana izao taona vaovao 2025 izao no nentin'ny Minisitry ny Asa Vaventy nanombohana ny lahateniny. "Maro ireo asa miandry antsika ary hiasa mafy sy bebe kokoa isika amin’ity taona 2025 ity", araka ny nambaran'ny Minisitra tomponandraikitra. Hisy ihany koa ireo hetsika goavana miandry koa mirary soa ny tsirairay mba ahavita antsakany sy andavany ny andraikitra ankinina aminy.
 
Photo
Photo