10/02/2025
10/02/2025
Nitarika ny fananganan-tsaina tanterahina isaky ny alatsinainy maraina ho an'ny Ministera telo tonta eto Anosy, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy,Atoa Rafidison Richard Théodore, sy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Atoa RAMONJAVELO Valery, ary ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, Atoa ANDRIANTSITOHAINA Naina. Nanatrika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa eo anivon'ny Minisitera telo tonta.
Miezaka miatrika ny fanarenana vonjimaika, taorian'ny rivodoza sy orambe, ny Minisiteran'ny Asa Vaventy. Manome toky ho an'ny mpampiasa ny lalam-pirenena ny Minisitera, indrindra ny RN6 izay nahitana fahasimbana goavana, ny amin'ny fanatanterahana ireo asa maika ireo. Ankoatran'ny iaraha-miasa amin'ny Faritra Sofia dia efa manomana "brigade" ny Minisitera, iatrehana ny "revolutionnement" eny amin'ny lalam-pirenena fahaenina.
Nohamafisin'ny Minisitra ihany koa fa manana andraikitra isika ny amin'ny fanomanana ny fandraisana ny Fihaonana an-tampon'ny "COI" izay hatao amin'ny volana aprily, sy ny fihaonana an-tampon'ny "SADC" ny volana aogositra 2025.
Nankasitraka ny Minisiteran'ny Fitsinjaram-pehefana, ny TDL ary ny Fitaleavana Jeneraly hany koa ny minisitra ny amin'ny fiaraha-miasa amin'ny Ben'ny Tanàna vaovao amin'ireo andraikitra sahaniny. Mandrisika ny tsirairay ny Minisitra mba hanamafy ny fahaiza-manao izay hananany ary mankahery ny rehetra ny amin'ny andraikitra miandry.
Tsy adinon'ny Minisitry ny Asa Vaventy ny nirarisoa ireo ireo mpiara-miasa rehetra mba hahavita be amin'ity herinandro ity.
