11.11.2024

11/11/2024

Nitarika ny fananganan-tsaina tanterahina isaky ny alatsinainy maraina ho an'ny Minisitera telo tonta eto Anosy, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore. Nanatrika izany ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro ary ny Minisiteran'ny Fanajariana ny Tany.

Nampahatsiahy ny fivahinianan'ny Filohan'ny Repoblika tao amin'ny TVM alina ny Minisitry ny Asa Vaventy. Nilaza ny Filoha Andry RAJOELINA nandritr'izany fa efa misy fiovana ary efa manomboka mivaha tsikelikely ny olan'ny jiro sy rano. Vokatry ny ezaka sy ny anjara birikin'ny Minisitera tsirairay izany. Anatin'ny firaisan-kina no ahazoana vokatra haingana sy azo tsapain-tanana, araka ny lalan-tsain'ny Governemanta ankehitriny.

Nanatsidika ihany koa ny Minisitra RAFIDISON fa ho tanterahina afaka iray volana any amin'ny Kaominina Ambanivohitr'Andekaleka ny fanokafana ny taom-pikatrohana amin’ny fambolen-kazo. Nanentana ny rehetra izy mba samy hiomana dien'izao.

#MTP #MTM #MDAT #leveededrapeau

Akon'ny fananganan-tsaina MTP Madagascar
Akon'ny fanangana-tsaina MTP Madagascar