14-04-2025

14/04/2025

"Herinandro miavaka ity herinandro ity. Sady herinandro masina ho an'ny Kristianina no herinandro farany ihany koa hanomanantsika ny fandraisana ny " SOMMET COI", nanokafan'ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore ny lahateniny io, androany Alatsinainy, nandritra ny fananganan-tsaina maraina, teto Anosy.

"Ao anatin'izany fanomanana izany indrindra, ankoatry ny efa vita dia mbola hiara-hientana ny Minisitera telo tonta hanadio ny faritra manodidina sy ny manoloana ny toeram-piasana rehetra, ny talata 22 aprily ho avy izao", hoy hatrany ny Minisitra.

Ankoatr’izay, niarahaba ny Minisiteran'ny fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro ihany koa izy tamin’ny nahavitana ny atrik'asa lehibe mikasika ny "Aro lozan'ny fifamoivoizana", ny herinandro lasa teo.

Nitarika ny fananganan-tsaina, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy RAFIDISON Richard Théodore, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro, RAMONJAVELO Valery, ary ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany ANDRIANTSITOHAINA Naina, notronin' ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa eo anivon'ny Minisitera telo tonta.

#MTP #MTM #MDAT #leveededrapeau

 

Photo
Photo