17/03/2025

17/03/2025

Nitarika ny fananganan-tsaina, izay tanterahina isaky ny alatsinainy maraina ho an'ireo Minisitera telo tonta eto Anosy, androany, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa Rafidison Richard Théodore, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Atoa RAMONJAVELO Valery, ary ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany, Atoa ANDRIANTSITOHAINA Naina. Nanatrika izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy ireo mpiara-miasa eo anivon'ireo Minisitera telo tonta.
Nandray fitenenana ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa Rafidison Richard Théodore, ka niarahaba ny mpiasa rehetra nahatratra izao herinandro vaovao izao. Nankahery ihany koa izy ireo havana traboina any amin'ny faritra Atsimo taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Jude. Torak'izany, nampahery ny mponina eto Antananarivo Avaradrano izy, izay maro no traboina noho ny fiakaran'ny rano.
Notsindriany fa maro ireo lalana simba vokatry ny fandalovan'ny rivodoza nifanesy tamin'ity taona ity, saingy efa mandray andraikitra ny Minisiteran'ny Asa Vaventy mba hamerenana ny fifamoivoizana faran'izay haingana. Nampatsiahy ihany koa izy fa eo am-panomanana ny handraisana ny "Sommet de la COI" ny 24 aprily ho avy izao ny Fitondram-panjakana, ka manana andraikitra tandrify azy avy ny Minisitera tsirairay.
Tsy adinon'ny Minisitra ihany koa ny nirary soa ireo mpiara-miasa rehetra mba hahavita be amin'ity herinandro ity.

#MTP #MTM #MDAT #leveededrapeau

Photo
Photo