21.10.2024

21/10/2024

Nitarika ny fananganan-tsaina teo an-tokotany malalaky ny Minisiteran’ny Asa Vaventy (MTP), Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany (MDAT) ary Minisiteran’ny Fitaterana (MTM), androany maraina teto Anosy, ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore. Nanatrika izany ihany koa ny MDAT, Atoa Naina ANDRIANTSITOHAINA, sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ary ny mpiara-miasa avy amin’ny Minisitera telo tonta, toy ny fanao isaky ny alatsinainy.

Nanentana ny Tale isan-tsokajiny ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny amin’ny fanomanana ny « LFI 2025 ». Tsy adinony ihany koa ny nirary soa mba ahavita ny adidy sy andraikitra sahanin’ny tsirairay eto amin’ny Firenena. Nankahery ny rehetra ihany koa ny Minisitra ny amin’ny asa izay hatrehina mandritr’ity herinandro fahaefatry ny volana Oktobra ity.

drapeau 21.10.2024
drapeau2 21.10.2024