30.09.2024

30/09/2024

Hanomboka amin'ity herinandro ity ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra. Nanambara izany androany ny Minisitry ny Asa Vaventy, Atoa RAFIDISON Richard Théodore, nandritra ny fananganan-tsaina niarahan'ireo mpiasan'ny Minisitera telo tonta teto Anosy. Ny "route circulaire" eny Ampandrana no hanombohana ny asa. Araraotina amin'izao main-tany izao ny fanatanterahana ny asa, araka ny nambaran'ny Minisitra tomponandraikitra.

Nararaotiny nandritra ny fandraisam-pitenenany ny niarahaba ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro ny amin'ny fametrahana ny Tale Jeneralin'ny ASECNA tany Dakar Sénégal. Noresahany ihany koa ny fametrahana ny Sekretera Jeneralin'ny Kaomisiaon'ny Ranomasimbe Indiana na COI, notanterahan'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tany Maorisy ny faran'ny herinandro teo.

Hiatrika ny telovolana farany amin'ny taona 2024 isika izao. Tsy hadinon'ny Minisitry ny Asa Vaventy ny nanentana ny tsirairay hametra-panontaniana ny amin'ny zava-bita ho an'ny Firenena tanatin'izay sivy volana lasa izay. Fotoana izao hanaovana jery todika sy hanenjehana ireo tsy vita.

saina7 30/09/2024
saina 30/09/2024